kolontsaina

Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka Sangan’asana mpanakanto miisa 26 no haranty


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka ny ranty ho an’ny zavakanto ankehitriny mitondra ny lohanteny hoe “Ny fitiavanay, our love, notre amour”.

 Araka izay lohanteny izay, hoy ny tale misahana ny toerana, Joel Andrianomearisoa, dia , mifantoka betsaka amin’ny resaka fitiavana izy ity. Misy lohahevitra miisa 3 tao anatiny. Eo ny miainga avy amin’ny hiram-pirenena Malagasy ka nomena ny lohanteny hoe “Ry tanindrazanay malala, ny fitiavanay anao tsy miala”. Izany hoe mifantoka amin’ny fitiavan-tanindrazana. Eo ny miresaka fahaleovantena. Nomarihana fa nahemotra noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana ny hetsika raha tokony ho natao tamin’ny fetin’ny fahaleovantena. Eo ny resaka tantara, izany hoe fifampiresahan’ny mpanakanto maromaro avy amin’ny vanim-potoana maromaro. Misy mpanakanto vao 16 taona no tanora indrindra ary misy ireo efa nodimandry. Zavakanto natao teo anelanelan’ny taona 1900 ka hatramin’izao no hita ao an-toerana, raha ny mikasika ity lohanteny ity. Manomboka ny sabotsy 9 oktobra izao hatramin’ny 15 janoary 2021 moa ny fampirantiana, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatran’ny ao amin’ity toerana ity dia isan’ny handray ireo fampirantiana ihany koa ny rindrin’ny tsenan’i Pochard, izay hametrahana ny sanganasan’ny mpanakanto Rijasolo. Ny rindrin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely izay handray ny sangan’asan’i Viviane Rakotoarivony. Ny sangan’asan’i Fela Razafiarisoa sy Zahra Rabearisoa dia azo jerena ny alahady 10 oktobra izao ao amin’ny tranompokonolona Analakely ny Alahady izao. Sangan’asana mpanankato miisa 26 no handray anjara amin’izy ity ary ahitana karazany maro toy ny hira sy teatra ary hosotra isan-karazany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT