kolontsaina

Hajan’ny Gasy ao amin’ny FIMPI-DIMY Namoaka ny andiany Hanitry ny Kanto


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Tao anatin’ny lanonana famaranana ny 1 volan’ny teny Malagasy notontosaina teo Ambohidahy Ankadindramamy misy ny foiben’ny FAFI V tarihan’ny depiote Naivo Raholdina no nampitany ny hafatra hoe :

 

“tokony hiainana isan’andro, isa-minitra sy isan-tsegondra ny teny Malagasy ka rehefa ny vahiny no mila antsika dia manaraka ny kolontsaina Malagasy izy. Lohahevitra novoizina tamin’ity fotoam-pamaranana ity ny hoe “Feheziko ny teniko ary asandratro sy andrianiko”. Nambarany tamin’io fotoana io koa fa tetikasa ho an’ny Fimpi-dimy ny hanangana trano koltoraly kely 1 isaky ny fokontany 27 eny amin’ny foiben-toerany. Hisy koa  fananganana sekoly Fanantenana eny an-toerana ka ho zakan’ny rehetra ny sarany aloa ao ary ho amin’ny teny Malagasy manontolo ny fampianarana ao.  Nohararaotin’ny FIMPI-DIMY izay sampana kolontsaina  1 ao amin’ny FAFI V koa ity lanonana ity namoahana ny andiana mpikabary “hanitry ny kanto” nahitana mpianatra 12 sy namoahana mpampianatra 2 ihany koa. Andiany faha-4 navoaka tao amin’ity sampana ity ny Hanitry ny Kanto tao anatin’izay 2 taona sy tapany nijoroany izay. Nampiavaka an’ity famoahana mpikabary ity ny fanapahana koban-dravina niarahana nifampizara mba ho mariky ny fihavanana. Natrehan’ny Pr Rabenilaina Roger Bruno filoha nasionalin’ny Fimpamama ny lanonana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT