kolontsaina

Hafari Malagasy, VAM, Force féminine… “Pitik’afo kely dia kely fotsiny dia mandrehitra ala iray manontolo”


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Fiarahamonim-pirenena miisa 3 dia ny Hafari malagasy, Vondrona ambany tanana miray na VAM,

Force féminine d’aide mutuelle no nanao fanambarana tetsy Anosizato ny talata lasa teo fa manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia firenena tena marefo ary latsaka lalina anaty fahantrana I Madagasikara ka tsy mahazaka krizy politika intsony. Manoloana ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka ny governemanta, hoy izy ireo, dia mila mandinika sy mieritreritra tsara ny rehetra mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy fiarovana ny vahoaka. Nandritra ny nahazoantsika ny fahaleovantena no mankaty dia manongana olona hatrany no politika teto Madagasikara ary tsy ampy firaisankina ny malagasy fa mizarazara ny vahoaka ka nahatonga ny firenena ho latsaka an-katerena. Tsy anjely akory ny mpitondra ary tsy devoly ny mpanohitra fa iray filoham-pirenena, iray praiminisitra, 150 solombavambahoaka, tombanana ho 27 tapitrisa malagasy ary 58.700.000 ha ny velaran-tany. Na iza na iza, tsy hahavita fahagagana ao anatin’izao fahantrana nandritry ny 60 taona nahazoantsika fahaleovantena izao. Ny firaisankina sy ny fifanampian’ny vahoaka no hialana amin’ny fahantrana ary famoronana asa ho an’ny malagasy miainga amin’ny tany sy ny fiompiana manara-penitra ary ny fambolena manara-penitra satria 85% dia tantsaha. Filaminana sy fitoniana no ilain’ny firenena ka aoka izay ny fananganana ady fa tsy mahasoa ny firenena ny fandrehetana afo. Tadidio fa pitik’afo kely dia kely fotsiny dia mandrehitra ala iray manontolo, hoy hatrany ireto fiarahamonim-pirenena ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT