kolontsaina

Guy Laurent Ramanakamonjy Hohamoraina ny fahazoana loharanom-baovao


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Nivoaka indray ny gazety boky Trandraka laharana fahatelo. Nifantoka tamin`ny fanjakana tsara tantana sy zon`olombelona indray ny lohahevitra tamin`ity andiany ity.

Araka ny nambaran`ny sekretera jeneralin`ny minisiteran’ny serasera sy fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Guy Laurent Ramanakamonjy dia manome toky ny minisitera mba hiroso amin’ny fifanakalozan-kevitra hanamorana ny fahazoan’ny mpanao gazety loharanom-baovao. Manana vina hamolavola lalàna mifanandrify amin`ny fahazoana loharanom-baovao. Handray anjara ihany koa ireo tompon’andraikitra tokony hanome loharanom-baovao ary hamaritra ny vaovao azo omena sy trandrahina io lalàna hovolavolaina io saingy tsy manohintohina ny tsiambaratelon`ny asa any amin`ireo sehatra isa-tsokajiny Tsiahivina fa fiaraha-miasan`ny UNESCO amin`ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) sy ny minisiteran`ny serasera ity tetikasa ity. Mamatsy vola ny tetikasa IDIRC ny “Fonds pour la consolidation de la paix ». Mba ho orinasan-tseratsera manaitra ny sain`ny mpitondra fanjakana handray ny andraikiny manoloana ny fomba fanao tsy mendrika ataon`ny tompon’andraiki-panjakana sasantsasany sy ireo manodidina azy ka mambotry firenena no tanjon`ny tetikasa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT