kolontsaina

Groupe Vidy Varotra Feno herintaona ny Top Radio 102.8 Fm


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Feno herintaona katroka omaly 2 mey ny onjam-peo Top Radio ao amin’ny maridrefy 102.8 Fm, izay ao anatin’ny vondron’orinasa Vidy Varotra.

Onjam-peo mivelatra amin’ny lafiny rehetra na eo amin’ny firesahana ny raharaham-pirenena, ny fiainana ara-tsosialy, fanabeazana ny olom-pirenena, indrindra ny fandaharana ara-pialam-boly sy ny tolotra isan-karazany hanomezana fahafaham-po hatrany ny mpihaino. Tsara ny manamarika fa isan’ny zandriny indrindra ao anatin’ny vondrona Vidy Varotra, izay vao nankalaza indroa misesy dia tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny 18 aprily teo sy tany amin’ny amin’ny Domaine de L’Hermitage Mantasoa ny 28 aprily izay tsingerin-taonany izay, ary tao anatin’izany ity onjam-peo ity. Tsy arakaraka izay maha zandriny indrindra sy vao herintaona monja izay anefa, fa efa manana ny maha izy azy raha samy onjam-peo amin’izao fotoana izao ny Top Radio, ary isan’ny be mpihaino indrindra eto Antananarivo sy ireo faritra mahazo azy. Maro ny mpihaino niarahaba sy nirary soa hatrany ny Top Radio noho izany, ary an-kilany dia maneho ny fahavononana hanome ny soa sy ny tsara hatrany ry Britto, Hery Ratovo, Gérmain Nomenjanahary, Rivo Thein Shwe, Ndriantiana, Dolly, Mamisoa, Leah,Sarindra, Tahiry Tiana sy ny ekipa manontolo. Ny Gazety Tia Tanindrazana, dia mirary soa sy mirary ny Top Radio hahavita be hatrany amin’ny adidy iantsorohany eto amin’ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT