Green, Tselatra, Apost

Hafana i Mahamasina!


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Feno 62 taona katroka ny 17 martsa teo i Jacquot Christian Randrianarison

ao amin’ny tarika mpiangaly Rock malagasy, Green, raha ny fampitam-baovao voaray. Ela no tsy nahitana azy ni-rock an-tsehatra. Mbola voatanany hatrany ilay feony nambabo ny fon’ireo mpankafy hatrany amin’ny taona 2000 tany. Hiaka-tsehatra ao amin’ny kianja Barea moa ny tarika ka manasa ireo mpankafy azy ireo indray. Hamerina an-tsehatra ireo hira nahafantarana azy ireo tany amin’ny taona 1990 sy ny taona 2000 tany ny tarika Green sy Tselatra ary Apost ny 30 martsa 2025 izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny tokontany malalaky ny Kianja Barea Mahamasina. Ao amin’ny ketrika.com sy eny amin’ireo Pho Resto, tapakila tokana na «billets Simple» ihany, ary Super Music Analakely no ahitàna ny tapakila, raha ny fampitàm-baovao hatrany. «Rahoviana», «Fo roa», «Hiaraka aminao», «Tovolahy», «Fitiavako», «Tovolahy», «Apokalipsy», «Zana-javatra», «Dila», ela no tsy nilalaovan’ireo tena tompony an’izany an-tsehatra. Hafana i Mahamasina!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT