kolontsaina

Goth , Poon, Pathy Andréas , Malalanirainy… Hihira an’i Jean Jacques Goldman sy Francis Cabrel


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Ireo vazon-dry Jean Jacques Goldman sy Francis Cabrel indray no ho hirain-dry Goth ,

 

 

 Poon, Tojo, Jimmy Harison, Nate tex , Elsie , Pathy Andréas , Malalanirainy mandritry ny hetsika Integral’s Night ny alin’ny 12 martsa izao etsy amin’ny Plaza Ampefiloha. Toy ireo andiany hafa rehetra tany aloha dia ho entin’ireto mpanakanto malagasy ireto amin’ny endriny mampiavaka azy ireo izay hira sy famoronana nahafantarana hatramin’izay ireto andrarezin’ny mozika frantsay ireto izay. Mpanakanto samy manana ny maha izy azy eo amin’ny lafiny mozika ihany koa, indrindra, ny lafiny feo izy valo mianadahy ireto ka inoana fa tsy ho diso fanantenana ireo ho avy eny an-toerana, hoy ny mpikarakara. « C’est écrit », « Je te donne », « Comme toi », « Rosie », « Je t’aimais, je t’aime, je t’aimerai », «A nos actes manqués» sy ireo hafa rehetra izany no hiandry ny mpankafy amin’ny endriny hafa indray amin’io fotoana io.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT