kolontsaina

Gérard Ramamimampionona “Mila mafy be isika mamerina ny tena maha malagasy antsika”


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Rafi-piarahamonina eny ifotony ny Kianja maitso izay efa novoizinay hatrany amin’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM,

hoy ny filoha lefitr’ity rafitra ity teo aloha sady mpitarika ny atao hoe Sakaizan’ny Kianja Maitso, Gérard Ramamimampionona. Ohatra amin’izany, hoy izy, izao ny kaominin’ambanivohitr’Andriambilany izay manana fokontany miisa 8, vohitra 38 fa misy Kianja maitso 49 ao. Afaka mifanatona izany ilay 30 na 32 trano mifanakaiky hoe andao isika hiara-monina marina sy hifampifehy. Mety misy raiamandreny miisa 10 ao ohatra dia mifanao teny ierana ireo hoe andao ianao no tena atao raiamandreny dia io no mitana ny soatoavina. Ankoatry ny raiamandreny dia vehivavy iray misahana ny resaka zon’ny vehivavy sy ny ankizy ary fahadiovan’ny tanana sy ny rehetra. Ny tanora irakiraka miandraikitra ny serasera sy fampifandraisana ny Kianja maitso amin’ny fokontany sy ny rehetra. Asiana tranokely iray mba ivezivezena sy ivoriana raha misy hafatra na teny ifanomezana. Eo no ifanentanana, andraisana fiofanana, ialana voly raha ilaina. Soatoavina, rafitra, toerana no ilaina. Tsy mandrava fokontany io fa mamehy ny fokontany. Midadasika be tsinona ny fokontany any ambanivohitra any. indraindray ianao ora 2 na 3 vao tonga any. Miara-miasa amin’ny fokontany sy kaominina avy eo ny Kianja maitso amin’ny resaka hetra, fanadiovana tanana, fitandroana fandriampahalemana sy ny rehetra. Lasa mahay mifanentana ny olona ary izany no mahatonga ny taha-pahavitrihana mandoa hetra any ho ambony be hoe tonga hatrany amin’ny 90% mahery any mihitsy. Tsy mijanona hatreo amin’ny fokontany tahaka ny tamin’ny andron’ny fokonolon’Itompokolahy Ratsimandrava izany io fa tena midina hatrany amin’ny rafitra mbola ifotony kokoa mihitsy. Asa goavana be ny mametraka izany aty amin’ny tontolo an-drenivohitra nefa hita hoe azo atao ihany satria ireny hoe olona miara-mipetraka ao anaty tanàna iray dia mifanaraka hoe andao isika hanao vavahady iraisana ireny izao dia efa izy, hoy hatrany ny tenany, ary tsy voatery ho atao lalana izany fa iainana andavan’andro hizarana fihavanana. Mila mafy be isika mamerina ny tena maha malagasy antsika, hoy izy.
J. Mirija
Legende: Gérard Ramamimampionona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT