kolontsaina

Gérard Ramamimampionona - CFM “Tontolo iainana mila arovana koa ny soatoavina”


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Tsara faritana kely ihany angamba, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gérard Ramamimampionona,

ny atao hoe tontolo iainana, nananatra ny fomba fitoloman’ireo tanora Malagasy miteraka resabe tato ho ato mikasika izany. Lasa amin’ny zavatra kiteritery ihany isika, hoy izy, hoe ny tontolo iainana dia ny rivotra sy masoandro ary orana sy ala ihany. Izay manodidina anao rehetra dia tontolo iainana daholo. Ny olombelona manodidina anao koa dia tontolo misy eo. Ny kolontsaina sy ny fomba fiainana koa ka aoka isika hanana fomba fijery malalaka kokoa! Ny fahantrany sy ny fahorian’ny olona koa dia isan’ny tontolo ivelarany. Maro ilay izy ary mifandray daholo. Napetraka eto isika hiasa sy hikolokolo ity tontolo iainana ity hahafahantsika miadana hoe ireo ny rano, ny masoandro, ny zava-maniry. Samy tokony ho saro-piaro amin’izany ny rehetra fa tsy hoe miaro ny tontolo iainana dia ny olona indray no hifamono na manimba ny kolontsainy. Isany tontolo iainana arovana ny soatoavina sy ny fahendrena. Aoka mba hitandrina, handanjalanja na ny teny na ny fihetsika mba tsy ho tonga amin’ilay tenina mpanakanto iray hoe miha simba ny tontolo satria ny olombelona no simba. Ny olombelona no mila kolokoloina voalohany ahafahany mikolo ny manodidina azy, hoy hatrany ity filoha lefitry ny CFM ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT