kolontsaina

Génération 2000’s “Tongava eny Antsahamanitra fa mandalo ny fiainana”


  • Talata 21 Jona 2022

Tongava eny Antsahamanitra fa mandalo ny fiainana, hoy omaly ny fanentanan’ireo mpanakanto nofantenan’ny SR Event hampahatsiahy ny hira sy kalo tena nambabo ny fon’ireo zatovo sy tanora tany amin’ny taona 2000 tany.

22 taona sahady no lasa, hoy izy ireo tetsy amin’ny IKM Antsahavola. Betsaka ny fahatsiarovana ary ireo mpanakanto amin’izao fotoana izao ireo koa matoa eo dia nihaino anay ireo tamin’izany fotoana izany. Isika rehetra, noho izany, hoy hatrany izy ireo, no asaina ho avy amin’io 10 jolay 2022 io ho eny Antsahamanitra fa vonona ny hanome ny tsara indrindra ho an’ny rehetra izahay ary hampanembona anareo ny hatanoranareo sy hampianoka amin’ireo mpankafy taty aoriana koa ny hakanton’ny taona 2000 izany. Spydee, Kiady, Marion, Tovo J’Hay, Krutam Bull, Imagine, North and Center, Zo Ryan, Tempo gaigy, 3 isan-jato, ireo 10 aloha no tratra antso, hoy ny mpikarakara, Sylvanno Ratsimandresy, satria tsy ho antonona I Antsahamanitra raha ho antsoina daholo ireo mpanakanto nanamarika izany fotoana izany. Haharitra ora 5 eo ny fampisehoana, izany hoe 45 minitra isaky ny mpanakanto eo ary ireo hira tena nanamarika ny taona 2000 no hibahan-toerana. Aorian’izao moa dia ho avy indray ny Génération 2000’s sokajy RAP ranofotsiny, hoy hatrany i Sylvanno Ratsimandresy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT