kolontsaina

Gasy Tsara Fomba Tena misy ny fanahy manam-bady, mety mamono


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Ny vehivavy no tena maro tratran’ity tranga iray ity. Misy fanahy manam-bady izy na andro na alina ka lasa tsy miteraka no sady tsy tia ilay vadiny intsony koa.

Hatrany am-ponja dia ahitana io tranga io raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona Renim-pianakaviana iray niaina izany nefa mety hiantefa amin’ireo vao avy natao mariazy ihany koa. Raha araka ny fanazavan-dRakotonanahary Narisitraka, mpitantana ny fikambanana Gasy Tsara Fomba no sady mpitsabo dia mety ho avy amin’ny fitazonana zavatra no antony mahatonga ireny fanahy manam-bady amina vehivavy iray ireny. Ilay zavatra tazoniny iny no mivadika ho fanahy manam-bady azy raha hazavaina kokoa. Ankoatra io dia fantatra fa misy ihany koa ireo nasian’ny olona ratsy. Misy ohatra ireo hialonan’ny sasany noho ny fiainana tsara hananany sy ny fahombiazany ara-pitiavana ka nanaovany zavatra hafa. Mety mahafaty ny fanahy manam-bady raha tsy voatsabo no sady mampisaraka mpivady ihany koa raha araka ny fanazavan-dRakotonanahary Narisitraka hatrany. Tsy voatery ho lafika ao amin’ny kibo araka izany no tsy mampiteraka ny vehivavy fa eo koa ity fanahy manam-bady ity. Marihina moa fa toy ny manao firaisana ara-nofo mihitsy ny fanahy iray rehefa manam-bady vehivavy iray ary mampatory ilay lehilahy heveriny ho rafilahiny eo akaikiny.
Pati
Legende : Rakotonanahary Narisitraka, mpitantana ny fikambanana Gasy Tsara Fomba
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT