Resabe sy adihevitra na tany anaty toeram-piasana na tany anaty taksibe, indrindra fa tao anaty facebook nanomboka ny zoma teo fotoana nivoahan’ilay hiran’i Gangstabab (Rakotoarisoa Faniry Alban) mitondra ny lohateny hoe : « Atosika tsara ».
Ny fisiana ankizy vavy tsy ampy taona mampandihy fitombenana sy manao fihetsika tsy mendrika no tena nahatezitra ny olona sasany tamin’ity hira ity izay efa nivoaka tao anaty Youtube sy niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera maro. Tsy nanana eritreri-dratsy aho raha nanao an’iny hira iny, hoy i Gangstabab, araka ny resaka nifanaovana taminy omaly, fa nanao hira gadona mafana ahitana mpandray anjara manao akanjo maivamaivana miloko marevaka fa tsy dia hoe mamoafady be manakory. Mitantara ny fifaninanana eo amin’i Narindra 1 sy Narindra 2 samy mpiara-mihira amin’i Gangstabab i « Atosika tsara » izay mitantara fa tia mifaninana efa hatramin’ny mbola kely izy roa ireo ka rehefa lehibe dia nampifaninanina indray amin’ny alalan’ny dihy, ka izay tena mahery no hofidian’i Gangstabab. Izay ilay tantara. Hafa anefa no nandraisan’ny olona sy ny fiarahamonina azy koa miala tsiny aho raha nanafintohina, hoy izy. Nambarany fa efa niresaka tamin’ny tompon’andraikitr’ilay sekolim-pinoana misy ireo zazavavy kely nandihy tao anatin’ilay « Clip » izy, efa niresaka tamin’ireo ray aman-dreny ihany koa ka efa nifandamina izy ireo. Tsy hifanimba isika ary tsy hifamono fa aleo mifandamina hatrany, hoy ity mpanakanto mivantambatam-piteny ity. Fepetra noraisiko ny nanomezana toromarika avy hatrany ny fahitalavitra rehetra manerana an’i Madagaskara mba tsy handefa intsony ny horonantsarin’i « Atosika tsara^ », teo ihany koa ny fanesorana azy any anaty tambajotran-tserasera. Nilaza ihany koa anefa izy fa efa misy hira iray hafa efa vita horonantsary koa any ka enga anie mba tsy hanafintohina ny sasany indray. Maro ireo olona nilaza fa diso fanantenana tamin’ity mpanakanto sady mpanao politika mitarika ny Antoko Politika Madio ity, noho io resaka « Atosika tsara » io, satria tena zava-doza ilay zazavavy tsy ampy taona manao fihetsika hafahafa, nalaina sary sy natao anaty rakitsary kanefa tsy fantatry ny ray aman-drenin’izy ireo akory. Nanipika kosa anefa i Gangstabab fa raha tena hajaina marina ny lalàna momba io resaka fampandihizana fitombenana sy zaza tsy ampy taona io dia mety ho maro ihany ny hira tsy mahazo avoaka amin’ny fahitalavitra sy tsy azo jifaina intsony eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.