kolontsaina

Gabriel Rabehasina na i "Gabhy" Mpanakanto nihira hira betsaka


  • Zoma 03 Martsa 2023

Voasokajy ao anatin'ny mpanakanto nihira hira betsaka indrindra teto Madagasikara i Gabriel Rabehasina na i "Gabhy".

Miisa 526 ny hira nokaloiny nanomboka ny taona 1950, hoy ny fampahafantaran’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly. Mpamoron-kira miisa 36 no niara-niasa taminy tao anatin'izany. Nanoratra boky mirakitra ny tantaram-piainany i Aina Raherilala, mpankafy azy. "Gabhy kintan'ny kanto" no lohatenin'ity boky ity izay natao ho fahatsiarovana ity mpanakanton'ny omaly ity izay hankalaza ny faha-90 taonany amin'ny 4 marsa ho avy izao. Hatokana ho fahatsiarovana sy hanomezana voninahitra an'i Gabhy ity volana ity,hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Hisy ny fampirantiana mikasika azy ao amin'ny trano sary hatramin'ny 27 marsa. Hisy ihany koa ny fandaharana atokana ho azy handeha amin'ny haino aman-jerim-panjakana, araka ny nambaran'ny minisitry serasera sy ny kolontsaina hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT