Four seasons» iarahana amin’i Benjamin Loyauté

«Fampirantiana ataona vahiny fa manandratra ny kolontsaina malagasy»


  • Zoma 22 Novambra 2024

Misokatra ny 23 novambra 2024 hatramin’ny 16 febroary 2025 izao etsy amin’ny Hakanto Contemporary

Ankadimbahoaka ny fampiratiana samirerin’i Benjamin Loyauté, mpanakanto marolafy, mitondra ny lohateny hoe «Four seasons», izany hoe ny tonontaona miisa efatra, raha adika malalaka amin’ny teny malagasy. Ny taona 2018, raha ny fanazavana, no nitsidihan’ity mpanakanto ity voalohany an’i Madagasikara. Niara-niasa matetika amina laboratoara ara-tontolo iainana amam-pitsinjovana ny tontolo ara-piarahamonina amin’ny alalan’ny fitarihana atrikasa ho an’ny tanora izay misitraka tetikasa izy tao anatin’izany. Fanasana avy amin’ny sehatra momba ny kanto antsoina hoe Ndao hanavao sy Hakanto contemporary no nahazoany kianja malalaka izay sady fitsobohana lalina ao anatin’ny tontolo ara-java-kantony, voakolokolo tamin’ny andro sy odidina indray ny vokatr’ireo taona niarahany niasa tamin’ny Ndao hanavao. Amin’ity fampisehoana voalohany ny asany ity dia ho asongadina ny zava-misy isam-paritra amin’ireo tonon-taona samihafa na ririnina io na fahavaratra na lohataona na fararano eto Madagasikara. Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana ny mpanakanto Rina Ralay-Ranaivo. Mpanolontsaina ara-tsiantifika kosa ny Dr Bako Rasoarifetra, mpahaigolantany sy mpahaitantara. Raha ny fanampim-panazavana nomen’ity farany kosa dia manana anjara toerana lehibe ao anatin’ny fampirantiana satria manana izany amin’ny malagasy rehetra isam-paritra koa na inona vanim-potoana ny vakana. Nifamezivezy teto hatramin’ny taonjato faha 9 izany, hoy izy. Natao hiarovana sy hanatsaràna fiainana io amin’ny malagasy. Tena famoronan-kanto na «création artistique» ny vakana ka na dia vahiny aza, hoy hatrany ny tenany, noho izany, no manao izao fampirantiana izao dia tena manandratra ny kolontsaina malagasy ny «Four seasons».
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT