kolontsaina

Fonenan’ny ben’ny tanàna teny Anjohy Navadika ho tranombakoka momba ny sary


  • Zoma 16 Febroary 2018

Tontosa omaly alakamisy 15 febroary 2018 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Musée de la photo Madagascar » na ny tranombakoka momba sary eny Anjohy Andohalo, notanterahin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, notronin’ny Masoivoho Frantsay Veronique Vouland, ny Talen’ny IMV Tamara Teissedre-Philip, ny avy amin’ny Région Iles de France, ny oniversiten’Antananarivo sy ny avy amin’ny tanànan’Antananarivo.

 

 Trano nonenan’ireo ben’ny tanàna teo aloha, toy ny Pastera Andriamanjato Richard ity nohavaozina ho lasa tranombakoka ity, ka naharitra 5 taona ny asa. Nanome alalana ny kaominina, raha toa ka ny Région Iles de France no niantoka ny ampahany betsaka tamin’ny famatsiam-bola. Ahitana efitra 4 handefasana sary amin’ny alalan’ny “video”, izay mirakitra ny Tantaran’i Madagasikara izy io. Sary mahatratra 5 000 no voarakitra tamin’ny alalan’ny solosaina, miovaova isaky ny enim-bolana, ary misy ny fanazavana amin’ny teny Malagasy sy vahiny. Manampy ny mpiara-belona hahafantatra ny tantarany indrindra ny taranaka ny Tranom-bakoka toy izao, hoy ny Ben’ny tanànana Lalao Ravalomanana. Hhahazo tombony ny mpianatra ankoatra ny olon-tsotra teratany, ny mpikaroka , ny vahiny . Misy toerana iray antsoina hoe : “Café du Musée” ao. Efa an-dalana ny fangatahana ity toerana ity eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Kolontsaina na ny UNESCO ho anisan’ny Vakoka iraisam-pirenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT