Fondation Mohamed VI

«Tanjona ny hahafoana ny hanohanana eto Madagasikara»


  • Alatsinainy 25 Martsa 2024

Nampahafantarina omaly ny fijoroan’ny rafitra na «fondation» Mohamed VI Des Oulema Africains eto Madagasikara, etsy Talatamaty.

Fikambanana lehibe eto Afrika ity rafitra ity, hoy ny filohany eto Madagasikara, Hamidou Ali, ary ivondronan’ireo avara-pianarana amin’ny sehatra Islamika. Ny mpanjakan’i Maraoka, Mohamed VI, no filohan’ny rafitra aty Afrika. Miisa 48 ny rantsa-mangaikany eto Afrika. Tanjona ny fampielezana ny finoana Silamo izay mifototra amin’ny fifamelana, fifanampiana, firahalahiana, fandriampahalemana. Izay no fototra apetraka ahafahana mametraka ny fitoniana sosialy, ny fiharian’ny zanak’olombelona eto Afrika. Tafiditra ao anatiny ny asa fifanampiana, fanohanana ny mpiara-belona. Misy, noho izany, ny fizarana vary 25kg, menaka 2 litatra, ronono 1kg avy ho ana tokantrano miisa 200. Na dia mifanitsaka amin’ny volana Ramadany aza ny asa sosialy dia mahazo tombony aminy daholo ny olon-drehetra na Miozolimanina izy na tsia. Misy fiaraha-miasa matotra izahay amin’ireo fokontany sy kaominin’i Talatamaty. Tanjona koa, noho izany, ny fanatsarana ny fiarahamonina na eo aza ny fahasamihafana ara-pinoana, hoy hatrany ny tenany. Maraoka moa no nitondra ny finoana Silamo teto Afrika, hoy kosa ny fanazavan’ny ambasadaoron’i Maraoka eto amintsika. Iray volana izahay no mifady hanina fa misy olona mifady hanina mandava-taona any ka fotoana tokony hifampizarana, noho izany, ny Ramadany ary ny tanjona dia ny hoe ho foana hatreo ny hanohanana eto Madagasikara, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT