kolontsaina

Fomban-tany sy ny kristianina Ny fifanajana no tena zava-dehibe


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Efa miha manakaiky ny fialan-tsasatra lehibe. Tsy vitsy ireo mikasa hivoaka any amin’ny faritra mba hialana amin’ny rotorotom-piainana manavesatra isan’andro,

fivoahana izay ilana fitandremana ihany koa anefa. Ho an’iny faritra Morondava iny ohatra ho an’ireo izay hisafidy izany dia misy ilay karazana laka kely tsy tia vahiny ka mety hamoizana ny aina mihitsy raha mania mandika ilay fombafomba. Toraka izany ihany koa ny any amin’iny distrikan’i Manakara iny….Nambaran’ny pastera Heritiana Randriarimalala fa ny fifanajana no tena zava-dehibe amin’ireny zava-misy any amin’ny faritra ireny. Tsy rehefa Kristianina akory ianao raha araka ny fanazavany dia handeha hanitsakitsaka ny fomban-tanin’olona sy tsy hanaraka izay lazain’ny olona. Manan-jo iaina amin’izay tiany rahateo ny olona hoy izy. Andriamanitra aza hoy izy nanome safidy malalaka ny olona ny amin’izay tiany ka tsy azontsika Kristianina hatao mihitsy ny manimbazimba doanin’olona ohatra….Tsy midoika anefa izany hoy pastera Heritiana fa manaraka azy isika fa ho fametrahana ilay fifanajana kosa. Hafatra hampitaina ho an’ireo olona mandeha mivoaka ny trano isan’andro moa na hiasa izany na ho any amin’ny faritra dia ny fametrahana hatrany ny lalana eo am-pelatanan’Andriamanitra mba hisy fiarovana.
Pati
Legende : Tsara ny mifanaja, hoy ny Pastera Heritiana Randriarimalala
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT