kolontsaina

Fomba fiasa Manana sata manokana ny fitsaboana nentim-paharazana


  • Alakamisy 09 Jolay 2020

Efa misy naoty avoakan’ny minisitera tompon’andraikitra hatrany, hoy ry zareo eo anivon’ny ANTM,

 

 

 na fikambanam-pirenena momba ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara mikasika ny fipetrak’ity karazam-pitsaboana ity manokana, raha naneho ny heviny omaly momba ny fampiatoana dokambarotra momba izany nataon’ny minisiteran’ny serasera ho ana fikambanana iray. Tsy toy ny asa hafa rehetra fa manana ny sata mifehy azy manokana ny fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny filohan’ny ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Tsy ao anatin’izay sata izay ny fanaovana dokambarotra. Samy hafa kosa anefa, hoy izy, ny fanabeazana ara-pahasalamana sy fihetsika rehetra manana endrika dokambarotra. Araka ny lalàna, hoy hatrany ny fanazavany, dia azon’ny mpitsabo atao ny manatanteraka fanabeazana ara-pahasalamana amin’ny haino aman-jery ao amina faritra iray hametrahan’ny lalàna azy saingy tsy tokony hanery olona hanaraka ny fitsabony na hanjifa ny fanafody vokariny kosa ilay mpitsabo na tompon’andraikitra ara-pahasalamana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT