kolontsaina

Foko Antandroy sy Antanosy Nifanao dinam-pihavanana


  • Talata 05 Desambra 2017

Voavaha ny olana teo amin’ny foko Antandroy sy Antanosy tany Taolagnaro noho ny fametrahana ny “dinam-pihavanana” izay fomba fampihavanana vaovao napetraky ny komitin’ny fampihavanana Malagasy na CFM,

hoy ny filohany Maka Alphonse, omaly. Efa milamina koa ny toe-draharaha any Andrakaraka, kaominina Taolagnaro, faritra Anosy amin’ izao fotoana. Mitohy ny asa fampihavanam-pirenena ataon’ny CFM ary tsy mijanona eto an-drenivohitra fa midina eny fotony, hoy hatrany ny fanazavany. Tsiahivina moa fa nisy olana teo amin’ireto foko 2 ireto noho ny fikasihan-tanana izay niafara tamin’ny famoizana aina ny 06 novambra teo tao Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ankoatra ny fametrahana ny fomba amam-panao antsoina hoe “Tafaraha” dia ny fametrahana ny dinam-pihavanana no vahaolana nentin’ny CFM tany an-toerana rehefa nahita ny disadisa nisy tamin’ireo foko ireo. Nomen’ireo Raiamandrenibe avy any an-toerana tso-drano manokana moa ny filohan’ny CFM, raha ny fampitam-baovao hatrany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT