Tantara tena marina ilay hita "Mizara karatse", hiran'i Black Nadia sy "Fôsy jôkera", an'i Flash B hoy ity farany nandritra ny fahatongavany teny Ivato ny zoma teo, taorian’ny fivoahany kely tany Afrika.
Nambaran'i Flash B fa tsy nisy ny "Fôsy jôkera", raha tsy namoaka ilay "Mizara karatse" i Black Nadia, hira izay mamoaka ny tsiambarantelon’izy mirahavavy ireto. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin'ny 2016, tany Nosy Be Hell Ville, no nitrangan’ireo tantara ireo, hoy hatrany i Flash B. "Aleo tsy handaingana ny mpankafy fa lazaina azy ireo ny marina, hoy hatrany ity farany. Aleo izaho no hilaza ny marina amin'ny mpankafy, satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho fantatr'izy ireo ihany izany hoy izy”. Nanambara moa i Flash B fa tsy matahotra an’i Black Nadia, satria izy teraka tao anaty studio-na mozika, izay an’i Dadany ihany ka ny dadany ve no hatahotra mpihira. Nomarihiny fa tsy nikasa hanala baraka an’i Black Nadia velively izy, tamin’ilay hira “Fosy Jokera”, raha tsy namoaka ilay “Mizara karatse” ity farany. Andrianirina Anne Flaccida moa no tena anaran’i Flash B. Vao 17 taona monja izy ankehitriny, zanaka mpitendry tao amin'ny Pascale Vertico ny dadabeny sady rahalahin'i Din Rotsaka. Mpitendrin'i Tianjama sy Dr JB ihany koa ny papany. Hira nalaina tamin'ny mozika afrikana ny gadon-kirany. Findramana hiran’olona no tena hahafantarana azy, toy ny hiran'i Vulindlela. Hira miisa 15 no vitany tany Ouganda sy Tanzanie, ka ireo hira ireo no hoentiny mitety an'i Madagasikara raha efa mahatratra 500.000 ireo olona mijery azy ao anatin’ny youtube, mampilahatra ny hirany amin’ireo hira Afrikanina. Izy ihany no mamorona ireo hira ireo, amin’ny teny gasy, anglisy, frantsay, ka isan'ireny ilay "Fôsy jôkera", ny "Diso calcule", "Nanenenako", "Lany daty"….
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.