kolontsaina

Fizivana eo amin’ny Betsileo sy Antesaka Raikitra ny lanonambe ao Vangaindrano


  • Zoma 13 Jolay 2018

Nisokatra nanomboka omaly ny lanonana tanterahina ao Vangaindrano hanamafisana ny fizivana na ny fihavanana eo amin’ny Foko Betsileo sy Antesaka, ary tsy hifarana raha tsy ny 15 jolay ho avy izao.

 Hisy tsangambato hajoro ho marik’izay fanamafisam-pihavanana na fizivana eo amin’ireo foko roa ireo. Nalaina avy any Fianarantsoa ny vato, ary efa tonga tao Tsiately sy manoloana ny Tranompokonolona ny 6 jolay. Anio 13 jolay andro voalohany amin'io fanamafisam-pizivana io, ka efa tonga ny ankamaroan’ireo vahiny avy amin’ny lafivalon'ny Nosy, ary omby hatrany amin’ny 20 any no hovonoina. Raha ny fanazavana tsotsotra dia, "Parenté à plaisanterie" na "raillerie éthnique" no azo handikana ny hevitry ny hoe fizivana amin'ny teny Frantsay. Tsy mitovy ny “fizivàna” sy ny “fatidra” satria fandrarana ny mpiziva tsy hiady na dia mifanasa vangy aza ny “fizivana”, ary ny mpiziva dia tsy voatery hifanampy sy hifamonjy akory raha sendra ny sarotra, ary indrindra rehefa tafahaona dia manao vazivazy mahery miampy teny mahery nefa tsy mahazo miady raha mifanao izany. Nataon'ny foko 2 fahizay mba tsy hifanafika sy tsy hiady. Ny "fatidra" kosa dia manery ireo mpifatidra hiray hevitra, hifampiditra an-trano, hifandefitra, hifanampy amin'ny mora sy ny sarotra, eny hifanakalo vady mihitsy aza indraindray,...

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT