Fizarana kolontsaina tia fandraharahana

Nahazo ny anjarany ny mpianatry ny sekoly Rainandriamampandry


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

famaranana teny amin’ny Sekoly Rainandriamampandry Ankadifotsy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Nizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana nandritra izany fihaonana izany ny Minisitra Edgard Razafindravahy afak’omaly Alatsinainy 16 Aprily. Naneho ireo mpianatra fa liana amin’ny tontolon’ny fandraharahana ary betsaka no efa manana vinavina hanangana tetikasa mikasika izany. Nahazo fanentanana ireo mpianatra 100 mianadahy ary navitrika tokoa izy ireo tamin’ny fifanakalozana natao niaraka tamin’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana. Niompana tamin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fanazavana ny atao hoe : kaoperativa ny fizarana natao. Maro ireo mpianatra no izay vao nahalala fa tsy ny fitaterana ihany no afaka mivondrona anaty kaoperativa fa ahitana seha-pihariana maro afaka mivelatra anaty orinasa kaoperativa toy ny famokarana, varotra, fanodinana vokatra… Vonona hatrany ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra hanohana ireo tanora hampiroborobo ny fandraharahana izay fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena malagasy.
Pati
Legende : Nandritra ny fizaran’ny Ministra ny traikefany tamin’ireo mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT