kolontsaina

Fizahantany, fihariana ara-tsakafo Nanome vahana ny vita Malagasy tao anaty fihibohana


  • Talata 29 Desambra 2020

Nandia fotoan-tsarotra ny sehatry ny fizahantany sy fandraisam-bahiny ary

 

 

fihariana ara-tsakafo tamin’ity taona 2020 ity, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny Havana Resort etsy Ambohidahy, Tahiana Razanamahefa. Vao niditra ny fihibohana ny volana martsa dia efa tapaka daholo ny famandrihana nisy. Ny hotely anefa kintana 4. Noezahana ny tsy nanakatona azy na izany aza fa ny fandrindrana no nezahana nifanaraka tamin’ny fitantanana ilay krizy ara-pahasalamana manerantany. Teo ny fitantanana izay fa ny fitantanana ireo mpiasa miisa 80 mahery ato koa isany tsy azo hanakatonana avy hatrany ny hotely satria manam-bady aman-janaka ireo. Ireo mpiasa avy any ivelany tsy tafody no nezahanay nalaina na ireny “expatriés internationaux” ireny. Nampidinina ny saran’ny fiantranoana. Toy izany koa ny fisakafoana ary nezahana ny nanjifa ny vokatra Malagasy. Nidirana koa araka izany, hoy ny tenany, ny fizahantany anatiny satria tapaka ny fifamezivezena, nihidy ny seranana, nisy fotoana aza isika teto Analamanga, ohatra, nihiboka 100%. Na dia tsy nihodina araka ny mahazatra aza ny hotely dia vita ihany ny nanome karama 100% ireo mpiasa ary tsy nisy ny fandroahana noho ireo fepetra noraisina izay azo tsoahana ho lesona goavana tao anatin’iny fihibohana iny koa. Nahitana fihenana 30% teo ny tombony azo isan-taona na “chiffre d’affaire” raha ho anay manokana, hoy izy. Nomarihiny kosa fa saika vokatra avy amin’ireo tantsaha Malagasy avokoa ankehitriny ny 80%n’ireo vokatra raisin’izy ireo ary mitohy hatramin’izao izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT