Fitsidihana an’Anatirova

Nahatratra 62 687 tao anatin’ny 3 volana


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Anisan’ireo toerana be mpitsidika indrindra eto Antananarivo ny eny Anatirovo.

Nahatratra 62 687 tao anatin’ny 3 volana farany dia ny jona hatramin’ny aogositra. Teratany Malagasy avokoa ny 87,70% tamin’izany. Tamin’ireo 49 300 mpitsidika teny an-toerana nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe ny volana jolay sy aogisitra teo, dia ny 43 381 na 88% dia Malagasy avokoa. Ny volana jona manokana 11 595 ny Malagasy nitsidika ny Rova, izay toerana manan-tantara navadika ho tranom-bakoka. Ho an’ny volana jolay kosa dia 20 261 ka ny 17 782 no Malagasy. Ny volana aogositra no tena nahitana mpitsidika be indrindra satria nahatratra 29 042 izay ny 25 599 dia Malagasy avokoa. Tsara ny manamarika fa misokatra isan’andro ankoatra ny talata ny Rova. Afaka misafidy ny hitsidika manontolo an’Anatirovo ny mpitsidika, na koa hisafidy ny Lapa Manjakamiadana manokana. Mirakitra ny tantaran’ny Fanjakana Merina fahiny Anatirova, izay tsiahivina fa may hotohoton’ny afo taorian’ny fandorana azy ny 6 novambra 1995, narenin’ny Fanjakana Ravalomanana, notohizan’ny Fitondrana Rajoelina. ary io tafaverina sy notovanana an’ilay « colisée » nampiady hevitra io.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT