kolontsaina

Fitsarana ao Nosy be Misy olona mamaky atody lamokany eo amin’ny varavarana


  • Talata 20 Septambra 2022

Velon-taraina ireo mpiasan’ny fitsarana ao Nosy Be sy ireo olona manana raharaha ao amin’ny fitsarana,

indrindra, amin’ny andro fanaovana fitsarana satria misy olona mamaky atody lamokany eo amin’ny varavarana vao hiditra ny fitsarana ka miteraka fofona ratsy miparitaka any anatin’ny efitrano fitsarana sy birao. Araka ny loharanom-baovao azo dia misy ny olona mino fa raha amakiana lamokan'atody eo amin’ny varavaranan'ny fitsarana alohan'ny andro anatanterahana ny fitsarana dia mandamoka raharaha na afaka madiodio ilay olona voatory. Raha olona miisa 5 na 10 no manao izany dia atody lamokany miisa 5 na 10 ihany koa no alatsaka eo ka misy, hono, ny avotra soamantsara na afaka madiodio na am-pisalasalana. Samy amin'ny finoany tokoa ny tsirairay, saingy mila apetraka hatrany ny fifanajana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT