kolontsaina

Fitsaboana nentim-paharazana Misy misoloky ny fitomboky ny ANTM


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Nanao fitoriana fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka ary fisolokiana ny avy eo anivon’ny fikambanam-pirenen’ireo mpitsabo nentim-paharazana Malagasy.

 

 

 

 Misy ny karatrana mpikambana miparitaka izay hosoka satria tsy misy soratra. Ilay maintso izay manga amin’ny sary no an'ny ANTM, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Ny miloko mavokely kosa dia an'ny FIKRIFIRAMA. Androany (TTF: omaly) dia tonga tao amin'ny namana Thomas, mpitantana ny BCRT sady Filohan'ny FIMPITRAMA ao Sambava ireo mpivady misoloky ireo nitondra ireo Karatra hosoka sy nangataka ny hanomezan-dalana ny lehilahy misoratra anarana aminy hanao ny asa fitsaboana nentim-paharazana ao Sambava, hoy hatrany izy. Ambaranay aty amin'ny foibe ANTM fa manao ireo heloka voalaza etsy ambony izy roa ireo satria tsy avy taty aminay velively ireo karatra ANTM sy FIKRIFIRAMA ampiasain'izy ireo. Marihina, hoy hatrany ny ANTM, fa io fitomboka ampiasain’izy ireo io dia fitomboka very tany Sambava tamin'ny nandehanako tany taminy 21 aogositra 2018. Azo porofoina amin'ny fitomboka any amin'ireo karatr'ireo Mpikambana niditra ho mpikambana tamin'io daty io izany, hoy izy.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT