kolontsaina

Fitondran-tena sy fahaiza-miaina Malagasy maro no mbola mila fanabeazana


  • Zoma 28 Jona 2019

Fetim-pirenena nihosin-dra no nandraisana ny 26 jona tamin`ity taona ity. Loza sy faty olona no niafaran`ny fety, vokatry ny fifanosehana teo am-bavahady hijery “podium” tao Mahamasina.

 


Tompon’andraikitra ny fanjakana amin’ireny fa tsy afa-miala satria izy no nanentana ny olona ho eny. Tsy voafehy anefa ny fandaminana napetraka.
Matoa ny mpitondra tsy mahavita ny asany dia miendrika tsy fahamatorana ary ny fanjakana foana no diso. Avy any ambony ny ohatra. Firy amin’ireo mpitondra no tena manaja ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena ? Rehefa tsy tan-dalàna, tsy matahotra lalàna ny mpitondra dia toy izay koa ny entina. Efa nisy toromarika nomen`ny tompon’andraikitra ho an`ireo hijery fety tetsy Mahamasina saingy tao koa ny tsy fanajana rafitra sy lalàna. Tsy ampy fanabeazana ny Malagasy satria tsy mamolavola olom-banona intsony ny rafi-pampianarana eto Madagasikara. Vitsy sisa ireo ray aman-dreny no mbola mitaiza ny zanany ho lasa olom-banona sy hanam-pahendrena. Rehefa mianatra, misakafo sy mitafy dia ampy izay. Tsy ny diplaoma ihany mantsy no rantovina any an-tsekoly fa ny fahendrena koa. Te hanova zavatra sy te handroso nefa kamo isika, indrindra ara-tsaina. Tsy nozarina handray andraikitra fa miandry mana avy any an-danitra na miandry fahagagana. Betsaka isika no mikatsaka fiainan-tsambatra nefa manao ariary zato am-pandriana fotsiny. Firenena nanana ny naha izy azy i Madagasikara tany aloha, nanana ny fombany, nahaleotena ara-toekarena. Ankehitriny, efa nivadika ny rasa. Ny toe-tsaintsika no antony.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT