kolontsaina

Fitokanana ny Colisée Mampametra-panontaniana maro


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Mampametra-panontaniana maro ny fisian’ny colisée anaty rovan’Antananarivo

 

 

 

 izay noteren’ny filoham-pirenena ho antsoina rovan’i Madagasikara moa nanomboka ny 6 novambra teo. Rahoviana ihany no ho tokanana izy io? Tena nilaina ve ny fametrahana ity foto-drafitrasa mampifanolana mpiray tanindrazana ity ao anaty rova ao? Inona no antony tsy hahasahian’ny fitondrana mitokana azy ? Iaraha-nahita moa ny sampona nitranga tao anatin’iny fahatsiarovana ny fahamaizan’ny rovan’Antananarivo tamin’ny 6 novambra 1995 tontosa tamin’ny herinandro iny. Teo indray ny fahamaizana toera-manan-tantara iray fa teo ihany koa ny fahalavoana olobe ara-pomban-drazana. Tsy vao sambany teo amin’ny tantaran’izao fitondrana mijoro izao no nisehoana tranga toy izany raha tsy hampahatsiahy fotsiny ny kodiam-batobe teny Ampahamarinana nandritry ny fianianan’ny filoha raha nandray fitondrana sy ny tondra-drano nanerana ireo faritra tamin’ny taon-dasa. Misy mihevitra ireny ho kisendrasendra ihany moa na dia matetika niseho aza. Ireo mpandala ny nentim-paharazana toy ny taranak’Andriana kosa dia mihevitra fa tsy tongatonga ho azy ireny. Inona no antony tsy hitokanana ny Colisée raha toa ka tsy atahorana araka ny hevitr’ireo mpitazana sasany tokoa ary no sady heverin’izy ireo ho tsy misy intsony izany hasin’andriana izany, ohatra ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT