Fitantanana ny latsakemboky ny artista

Notazonin’ny depiote anatin’ny lalàna rafitra mahaleo tena


  • Talata 12 Desambra 2023

Nodinihina fanindroany omaly 11 desambra 2023 teny amin’ny Antenimierampirenena

ny tolo-dalàna laharana faha-002-2022 PL “ portant refonte de la loi N°94-036 sur la propriété littéraire et artistique " izay natolotrin’ny Solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert voafidy tao Antananarivo faha-IV, taorian’ny teboka maromaro nitondran’ny Antenimierandoholona fanovàna. Neken’ny solombavambahoaka ny ankamaroan’ny fanovàna nentin’ny Loholona ankoatran’ny andininy faha-129 izay nolavin’izy ireo ka naverina tamin'ny fanoratana azy teo aloha ihany. Ny volana desambra 2022 no nandihina ity lalàna ity voalohany, taorian'ny fangatahana napetrak'ireo mpanakanto izay mitaky nh hametrahana fiarovana ara-dalàna mahomby kokoa sy rafitra fitantanana mahaleo tena. Nampifanjinja ny depiote izay tao andamosin’i Rossy sy ny Minisiteran’ny serasera io lalàna io satria nanohana an’io depiote nanolotra ny tolo-dalàna io 100% ny tao Tsimbazaza. Nitohy tamin’ny fifandirana marolafy ny raharaha Ofisim-pirenena momba ny zon’ny mpamorona na ny OMDA izay nisian’ny filanjana sora-baventy teny amin’ny Minisietra, nisian’ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny fifidianana natao tetsy Mahamasina,… Omaly, nanamafy i Rossy fa tsy ekena intsony ny hitantanan’ny Minisiteran’ny serasera ny OMDA. «Zokiolona sy nianatra lalàna no namolavola an’io, niresaka tamin’ny fitondram-panjakana foana ary delegasionina mafonja no niresaka tamin’ny Filoham-pirenena, ka tsy tokony hisy handà izany intsony. Ny andininy faha-129 dia mamaritra hoe : iza no manam-pahefana mitantana ny latsakemboka, ka atao rafitra mahaleo tena eo ambany fiadidian’ny Fiadidian’ny Repoblika satria ny aty ambany toerana politika », hoy ny hatrany ny depiote Rossy. Any amin’ny HCC sy ny Filoham-pirenena izay mamoaka ny didy mampanan-kery azy ny baolina !?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT