Fisiana toerana mampisaraka mpifankatia

Maro ireo tsy mino


  • Zoma 14 Febroary 2025

Ny farihin’i Tritriva izay vakoka malazan’iny faritr’i Vakinankaratra iny noho ny lovan-tsofina mikasika

ny fifankatiavan’i Ravolahanta sy Rabeniomby, ny ao amin’ny zaridainan’Andohalo ao, iny manamorona ny farihin’Anosy iny, ilay zaridaina malaza iray ho tena fampiarahan’ny mpifankatia ao Mahajanga ao, toerana maro manerana an’i Madagasikara no nalaza ary mbola malaza hatramin’izao fa tsy mety ho an’ny mpifankatia na tsy azo ampiarahana fa mampisaraka. Mitombina tokoa ve sa finoanoam-poana? Tsaho sa honohono? Isan’ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety eto anivon’ny vondrona Onet Group ireo mpifankatia sendra azy ireo tao anatin’izao fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia izao. Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina hoe maro ireo tsy mino izay fisiana toerana mampisaraka mpifankatia eto Madagasikara izay. Isan’ny antony voalaza ny hoe tsy misy fifankatiavana mafy orina rava noho ny resaka toerana izany. Tao koa ireo namaly hoe «Rehefa tsy anjara dia tsy maintsy miafara amin’ny fisarahana foana io na aiza na aiza toerana!». Ao koa anefa ireo milaza fa lojika raha betsaka tamin’ireo mpifankatia voalaza ho nampiaraka tamin’ireo toerana voalaza no nisaraka satria izay no maha toerana natokana ho an’ireo mpifankatia ny mpifankatia. Rehefa tsy fiarahana no hita eny dia fisarahana na koa hoe rehefa tsy fiarahana maharitra sy mitohy dia miafara amin’ny fisarahana, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra. Na izany na tsy izany anefa dia mirary fety sy tontolo andro mahafinaritra ho an’ireo mpifankatia rehetra amin’ity anio ity!
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT