kolontsaina

Firongatry ny dokam-barotra ara-pitsaboana Nampitandrina ny Minisitry ny fahasalamana


  • Talata 10 Aogositra 2021

Hita etsy sy eroa ny karazam-pitsaboana maro samihafa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nampahatsiahy io Minisitra io fa misy karazany roa ny fitsaboana eto Madagasikara dia ny Fitsaboana maoderina,

 izay misy fitalevana na « direction » mihitsy mikarakara izany eo anivon’ny Minisiteran’ny fahsalamana. Toy izany ihany koa ny fitsaboana nentim-paharazana, izay misy fitaleavana misahana azy. Mbola mizara roa ihany koa aza ny fitsaboana nentim-paharazana, izay nohatsaraina miainga avy eto amintsika, ary misy ihany koa ny ny fitsaboana nentim-paharazana avy any ivelany nianarantsika na ny “médecine complémentaire”. Voafaritry ny lalàna 1414-992/2013 navoakan’ny Minisiteran’ny fahasalamana tamin’ny 19 jolay 2013 kosa ny tsy fahafahana manao dokam-barotra ara-pitsaboana. Betsaka ny dokam-barotra mikasika ny fomba fitsaboana nentim-paharazana. Misy lalàna mifehy izany eo amin’ny fomba fitsaboana, ny fanafody, ny mpitsabo, na ny sokajin’ny fitsaboana, hoy ny Minisitry nampahatsiahy. Nohazavainy ihany koa fa ity sokajim-pitsaboana ity dia misy ankapobeny, ary misy tsy maintsy ilàna an’ireny manam-pahaizana manokana. Manoloana ny firoboroboana sy ny fihoaram-pefy amin’ny fanaovana dokam-barotra, na ny fanafody, na ny fomba fitsaboana, na ny dokam-barotra ho an’ny mpitsabo,… izay tsy voahaja, dia manao antso amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna izahay, alohan’ny handraisana fepetra araka ny lalàna izay mifehy ny fahasalamana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamana, hoy ny Minisitra Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT