kolontsaina

Firaisana ara-nofo mialohan’ny faha-15 taona 20%-n’ny tovovavy Malagasy no efa tafiditra


  • Talata 28 Desambra 2021

20% amin’ny zazavavy zatovo latsaky ny 15 taona no miditra amin’ny firaisana ara-nofo. 40% amin’ny zatovovavy any ambanivohitra dia miteraka mialohan’ny 18 taona, raha toa ka 23%

 izany ho an’ny aty an-drenivohitra, hoy ny tatitry ny mpitsabo omaly. Mitombo be ny vohoka mialohan’ny fotoana na ny “grossesse précoce”. Mbola vitsy anefa ny zatovo mampiasa fandrindrana fiainam-pianankaviana, izay 16% amin’izao fotoana izao, araka ny antontan’isa hita any amin’ny CSB izany. Tanjona ny hampiakatra azy ho 37%. Isan’ny voalaza fa manampy amin’ny fahatrarana izany ny fandaharan’asa “Wish to action” vatsian’ny governemanta Britanika vola. Miha midina hatrany ny salan-taonan’ny tanora mba tsy hilazana fa ankizy miditra amin’ny firaisana ara-nofo. Mampametra-panontaniana hatrany ny hoe: nahoana no mihakazakazaka amin’izany izy ireo? Maro ny anton’io, ka isan’izany izany ny fihazakazaky ny fanatontoloana sy ny teknolojia, finiavana sy fitiavana hanandrakandran-javatra,… Na izany aza, mila fandinihana lalina satria endriky ny fahapotehan’ny fiarahamonina io. Hihazakazahana ny fandrisihana hampiasa fandrindram-piterahana izay ilaina tokoa, saingy mety handrisika ny tanora ho roboka amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra ihany koa anefa io, ka mila lanjalanjaina sy dinihina lalina ihany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT