kolontsaina

Firahalahian’ny Antesaka sy ny Betsileo Dingana lehibe no vita tany Vangaindrano


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Dingana iray lehibe no vita tany Vangaindrano omaly zoma 13 jolay 2018 ary hisoratra amin’ny tantaram-pirenena.

Fanamafisana ny firahalahian'ny foko Betsileo sy Antesaka izay notronin'ireo foko maro sy fikambanana ao amin'ny ilany Atsimon'ny Nosy na ny "Grand Sud" no nitranga. Fotoana natao teo ambany fiahian'ireo Ampanjaka sy Olobe avy any amin’ireo faritra ireo. “Mahatsiaro tena tokoa ireo avy amin'ny grand sud fa nataon'ny sasany tohatra fiakarana sy fangalana vato fotsiny hatramin'izay rehefa misy fifidianana fa tsy mba nisy mihitsy nihevitra hampandroso ny azy fa dia tampi-maso nanakonana ny fahantran'izy ireo hatrany no nataon'izy mpanao politika”, hoy ny nambaran’ireo olon-tsotra nanatrika ny lanonana. Saika niteraka fahasimban'ny firaisankinan'ny “grand sud” izany. Olo-manan-kaja maro samihafa sy mpitondra fanjakana ary manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena sy avy any amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny nosy iny moa no nanatrika ity “Fizivana” teo amin’ny Betsileo sy ny Antesaka ity izay natao tao anatin’ny fomba amam-panao nifanajan’ny roa tonta.A nisan’ireo tany an-toerana ary nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika rehetra Atoa  Erick Rajaonary filoha tale jeneralin’ny Guanomad amin’ny maha Betsileo azy. Izy izay nanantitrantitra fa manana tetikasa maro entina hampandrosoana iny faritra iny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT