kolontsaina

Fiombonan’ny tany mampiasa ny teny frantsay Hampahaleotena ny vehivavy


  • Talata 27 Martsa 2018

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny foiben’ny fiombonan’ireo tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF) etsy Antaninarenina ny atrikasam-paritra mikasika ny tokony ho fomba fiasa vaovaon’ireo tany miray vondrona ao amin’ny OIF.

Araka ny fanazavan’ny masoivohon’ny OIF eto amintsika, Malik Saar, dia hatao laharam-pahamehana ny fampandrosoana ifotony ireo firenena mikambana ao anatin’ity rafitra ity. Anisan’ny ifantohana bebe kokoa amin’izany ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy izay mbola hita ho marefo eto amintsika, raha ny fanazavana hatrany, ka tanjona ny hananan’ireo andriambavilanitra fahaleovantena bebe kokoa. Izany indrindra no antony hametrahana ity tetikasa antsoina hoe « Programmation » ity izay heverina ho tafapetraka mandritry ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2022 aorian’ny fihaonamben’ny frankofonia faha-17 izay hatao any Erevan, Armenie. Delegasionina miisa 84 no handrasana amin’io fotoana io.

 

J. Mirija

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT