kolontsaina

FIMPIMA Nifanakalo traikefa ireo mpikambana


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Nifanakalo traikefa tetsy amin’ny le Pave Antaninarenina omaly ireo mpikambana ao amin’ny FIkambanan’ny Mpikabary Malagasy na ny FIMPIMA.

 Niompana tamin’ny ezaka vita hahafahana manatsara ny ho avy ny fihaonana, notarihin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. «Ilo mby an-doha », io no lohahevitra nampitondraina ny hetsika, izay manana tanjona hametraka hatrany amin’ny toerany ny kabary Malagasy. Nambaran-dRavalitera, mpampianatra sady mpikaroka fa tsy natao ho fampihomehezana na fialam-boly fotsiny ny kabary fa tena manana ny toerany tokoa eny anivon’ny fiaraha-monina. Sady mampianatra mantsy ny kabary no mandamina ihany koa raha araka ny fanazavany ankoatra ny fanovana ny toe-tsain’ny mpiara-belona mba handala ny fihavanana Malagasy. Toraka izany ihany koa ny fanajana ny manodidina indrindra fa ny soa toavina. Nomarihin-dRavalitera moa fa fifanomezan-kasina ny kabary ary tokony hotazonina hatrany izany. Mikasika ny fahatafidiran’ny kabary Malagasy ho ao anatin’ny vakoka iraisam-pirenena izay nanaovana fanambarana tamin’ny 15 Desambra teo fa efa tamin’ny taona 2005 no niady ho amin’izany ny FIMPIMA ary tratra soa aman-tsara ny tanjon’izy ireo ankehitriny.
Pati
Legende : Ireo mpikatroka FIMPIMA omaly nandritra ny fihaonana « Ilo mby an-doha »
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT