kolontsaina

Filohan’ny fikambanana Ny maha gasy Mangataka didim-panjakana hankalazana ny taom-baovao lohataona


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Nandefa taratasy misokatra ho an'ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, ny praiminisitra, ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, ny mpikamban'ny governemanta,

ny mpikambana amin'ny antenimiera roa tonta ny filohan’ny fikambanana Ny maha gasy. Mangataka Androm-pirenena ho an'ny kolontsaina na “Journée nationale de la culture”, hoy izy, ho androm-pirenena taom-baovao lohataona. Araka ny voalazan'ny savaranonandon'ny lalampanorenana ny 11 desambra 2010 izay manamafy fa tokony hiverina amin'izay niandohany ny fiarahamonina malagasy, araka ny andininy faha 32 amin'ny lalàna 2021-019 ny 1 jolay 2021, manao hoe apetraka ny androm-pirenena ho an'ny kolontsaina, rehefa avy nandalo fifanakalozana sy/na adihevitra maro teo amin'ny fiarahamonina, indrindra, fa ilay fakan-kevitra momba ny tokony ho andro ankalazana ny taom-bavaovao malagasy, namoahan'ny maro an'isa tamin'ireny fa tokony ho amin'ny lohataona, tsinam-bolana septambra, ary mba porofo mivaingana azo tsapain-tànana fa tena hiroso amin'ny fanarenam-pirenena, hiaraka hanoratra tantara vaovao isika vahoaka sy mpitondra malagasy ary hametrahana androm-pirenena iray hiarahan'ny vahoaka malagasy miaina, mifampiarahaba sy mifampirary ny soa sy ny tsara amin'ny alalan'ny maha izy ara-kolontsaina na « identité Culturelle » ny firenentsika ho kitro ifaharan'ny fampandrosoana dia efa mba namoaka ny sehatra hafa toy ny an'ny finoan'ireo havana Silamo ihany ianareo. Raisiko ho voninahitra lehibe ary am-panajana feno no ahazoako mangataka ny fahamoram-ponao sy ny fitondram-panjakana tarihinao mba hanaiky hamoaka didim-panjakana mametraka andro iray ao anatin'ny tsinam-bolana lohataona amin'ny volana septambra eto amin'ny tanin'ny repoblika malagasy, hoy hatrany ity taratasy misokatra ity.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT