kolontsaina

Filohan’ny ANTM « Misy mpitsabo nentim-paharazana tsy manaja ny fenitra » N


  • Talata 22 Desambra 2020

ivory ireo fikambanana miisa 17 mandrafitra ny fikambanam-pirenen’ireo

mpitsabo nentim-paharazana Malagasy ny 15 desambra teo, hoy ny tatitra sy fampatsiahivan’ny filohan’ny ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Maro ireo zavatra tsy vita vokatry ny fandalovan’ny fahamehana ara-pahasalamana. Isany ny fivoriambe tokony fanao isan-taona izay tokony natao tany amin’ny volama may tany. Teo koa ny andro Afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana. Ny rafitra vitsivitsy tsy tafapetraka ihany koa, hoy izy, ankoatran’izay. Efa tapitra ny taom-piasan’ny filoha raha ny tokony ho izy ary eo am-pitadiavana ny lamina hanaovana fifidianana izahay izao. Ny 17 desambra teo koa dia nanatontosa fivoriana niaraka tamin’ny ben’ny tanana ao Arivonimamo izay nahazoana mpizaika miisa 100 nanazavana mikasika ny lalàna momba ny mpitsabo nentim-paharazana ireo mpisehatra amin’ity fitsaboana ity. Napetraka mihitsy ny famaritana ny atao hoe mpitsabo nentim-paharazana noho ny fisiana karazana mpitsabo milaza ho izany nefa tsy manaja ny fenitra maha mpitsabo nentim-paharazana akory, hoy hatrany ny fanazavan’ny filohan’ny ANTM. Efa tafatsangana koa izao ny birao rejionaly any SAVA izay hanao ny azy ny 27 desambra manoloana ny resaka mifamahofaho mikasika ity fitsaboana nentim-paharazana ity, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT