kolontsaina

Filohan’ny ANTM « Mila fandaminana ny resaka fitsaboana nentim-paharazana »


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Hatramin’ny fotoana nanombohan’ny Covid 19 teto ny taona 2020 no nankaty dia be dia be ny antso mikasika ny fiforonana mpitsabo etsy sy eroa, hoy ny filohan’ny fikambanam-pirenena momba ny fitsaboana nentim-paharazana

eto Madagasikara na ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Nanomboka tamin’izany anefa izahay, hoy izy, no nanao antso hoe hanimba zavatra anie izy ity e! Alaina daholo ity ravinkazo rehetra any an’ala ity. Ny sakamalaho niakatra ho 20.000 Ariary ny kilao. Ny voasary makirana sy ny tariny koa toy izany. Apetrapetraka amoron-dalana sy ny karazany koa ilay izy tamin’izay fa tsy tamina fenitra maha fitsaboana azy akory. Nanao antso izahay tamin’ireny saingy tsy mpanatanteraka moa. Tsy zandary izahay na polisy na fitsarana ka dia mitaraina amin’ireny sisa no azo atao. Voalohany itarainanay ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka manoloana ireny tsy mandeha amin’ny laoniny rehetra ireny. Farany teo izao nanaitra anay tany Ambatoboeny misy manana takelaby misy soratra hoe “docteur”. Mitanisa anefa izy eo ambany fa tsy mandeha amin’izay laoniny ny voatanisa eo. Mitonona ho dokotera izy nefa rehefa jerena ny ataony toa asanay mpitsabo nentim-paharazana? Fara faharatsiny izy tokony ao amin’ilay sokajin’ny atao hoe “médecine complémentaire et parallèle”. Amin’ny andininy faha 2 amin’ny didim-panjakana 16-0122 ny 23 febroary 2016 dia ny ANTM no tomponandraikitra mampiroborobo, mampivoatra ny fitsaboana nentim-paharazana ary miara-miasa amin’ny fanjakana. Feno ny lalana hanenjehana ireo mpisoloky manomboka any amin’ny fehezan-dalana mikasika ny fasalamam-bahoaka izany. Ny didim-panjakana 2007-807 ny 21 aogositra 2007 dia isan’izany. Misy ny atao hoe fandraisana andraikitra ara-pampandehanan-draharaha na “administrative” ataon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Misy ny fitondrana azy any amin’ny fitsarana. Tsy hitako izay asan’ireo ambaratonga ireo hatramin’izao satria ny azony atao izany dia ny manaiky ny fisian’ireny. Ianao mitondra fitarainana manoloana ilay tsy ara-dalana indray no itsimbadihan’ny toe-draharaha ary efa nahazo ahy izany. Izaho indray no notoriana avy eo dia lasa very an-javony ilay fitoriana. Niainana izany ny 2021. 99 andro nefa no an’ny mpanao ratsy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT