May kila 80%n’ny tranon'ny ankizy no may 80%n’ny tranon'ny ankizy no may ny harivan’ny zoma
teo vokatry ny «Court circuit» na fikorontanan’ny herinaratra nentin’ireo «panneaux solaire» na mpitondra herinaratra avy amin’ny masoandro teny amin’ny Akany Avoko Bevalala, raha ny fampitam-baovao voaray. Akany iray mitaiza zaza kamboty sy sahirana ary ireo voahiliky ny fiarahamonina moa ity akany ity. May avokoa ny farafara, kidoro, akanjo fitafiana, fitaovam-pianarana rehetra. Mangataka fanampiana sy tolo-tanana izy ireo ankehitriny fa ankizy miisa 34 no voakasika mivantana tamin'izany raha 52 kosa no isan'ireo ankizy tezaina sy beazina ao, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto hatrany. Andrasana ihany koa, araka izany, ny fandraisana an-tanana ireo tezaina rehetra eo anivon’ity akany ity miaraka amin’ireo mpitantana sy tomponandraikitra eo anivon’izany, na avy amin’ireo malala-tanana io na avy amin’ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny ihany koa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.