Fikitihana vakoka, toera-manan-tantara…

«Tokony ho sarotiny isika!»


  • Talata 16 Jolay 2024

Averiko ihany hoe zary ambany maso tsy hita toa vatan’orona, itodian-tsy hita toy ny ravin-tsofina

ankehitriny ny kolontsaina malagasy, hoy Razafindrabe Jean France Wisko na Rabejean Sodina vava. Tsy ny mpanao kolontsaina na mpitan-kazomanga na raiamandreny ara-drazana na anak’andriana ihany akory no tokony hitana izay hasin’ny kolontsaina malagasy izay, hoy izy, fa isika rehetra mahatsiaro tena fa malagasy mihitsy. Rehefa tsy isika mianakavy no miara-tonga saina dia tsy misy lehibe noho ny vato fa rehefa taingenan’ny vorona na angerezany mihitsy dia tsy afa-miteny. Tokony ho sarotiny isika hoe raha misy fikitihana ireny toerana vakoka na ara-kolontsaina ireny na azo tsapain-tanana io na tsy azo. Ny manam-pahefana no voalohany indrindra, ny minisitera mpiahy ny kolontsaina, isika mpanakanto, mpanao kolontsaina, ny mpitan-kazomanga, ny taranak’Andriana, Raiamandreny ara-drazana, olobe, sarambabem-bahoaka, tokony ho sarotiny amin’izay kolontsaina malagasy izay avokoa. Rehefa tsy sarotiny isika dia toy izao zava-misy ankehitriny izao no mitranga. Ny tenin’ny hafa no maha sarotiny fa tsy ny antsika. Ny «fito lahy, fito vavy» lasa «fy toa lahy, fy toa vavy». Ny toera-manan-kasina voazimbazimba. Manao ny ataony eto ny kolontsaina vahiny fa ny kolontsaina malagasy miha maty maso tsikelikely. Mampalahelo, ohatra, ny maheno hoe misy manangana toeram-pivavahana na «mosquée» eny Ambohitrandriananahary, Alasora. Tokony ho sarotiny amin’izany isika rehetra satria maha isika antsika ireny. Mirakitra ny tantarantsika ireny. Rehefa tsy azo tenenina dia ampiharo aminy ny lalàna satria manosihosy ny tany. Ny hasina maha malagasy antsika mihitsy no hosihosena anatin’izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT