kolontsaina

Fikitihana tsy am-piheverana ny Rova Velon’ ahiahy ny UNESCO


  • Zoma 20 Martsa 2020

Nilaza ny heviny mahakasika ny fikitihana sy ny fanamboarana ny Rovan’i Manjakamiadana niantefa tamin’ny Ambasadaoro mandehandeha sady Delege

 

 maharitry ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO Rtoa Yvette Sylla ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny vakoka na ny UNESCO ny 24 febroary 2020. Misy ny fikitihana toy ny fandrakofana « béton », ny fanamboarana « colisée» karazana fanaovana fampisehoana sy hetsika, ny tranom-boky, ny toerana hatao arisiva,.. ao anatin’ny Rova, izay mety hisy fiatraikany sy fiovana lehibe amin’ny tena lanjany sy ny tena nampiavaka sy nahafantarana ity vakoka ity na ny VUE (Valeur Universelle Exceptionnelle), hoy ny UNESCO. Mety misy fiantraikany amin’ny dosie fampidirana ny Rova ho isan’ny Vakoka iraisam-pirenena eny anivon’ny UNESCO io, raha ny ny voalazan’io taratasy io. Nambaran’ny UNESCO fa misy rahateo ireo lalàna mahakasika ny vakoka iraisam-pirenena, izay tokony hajaina. Azo atao tsara ny manamboatra fa kosa tsy manova ny maha-vakoka azy na koa amin'izay hitiavana azy, raha ny voalaza. Raha halalinina, dia manahy izany ity rafitra ity, fa hiova tanteraka amin’ny lanjany ara-bakoka ity Rova ity noho ny fikitihana hatao sy fampidirana zava-baovao ao anatiny. Na izany aza, dia masi-mandidy ny Malagasy sy ny mpitondra ao aminy hanao izay hitiavany an’io fotodrafitrasa io, izay toa mitady hivadika ho Mozea. Ny mety ho setrin’izay kosa dia ny valiny miiba avy amin’ny UNESCO ka mety hitsipahany ny fangatahan’ny fitondram-panjakana Malagasy azy ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena manan-tantara. Isan’ireo efa nosokajian’ny UNESCO ho  vakoka iraisam-pirenena moa ny Vohitra Ambohimanga, isan’ny toerana manan-tantara eto Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT