kolontsaina

Fikirakirana solosaina maimaimpoana Hahazo tombony ireo ankizy 9 ka hatramin’ny 14 taona


  • Talata 07 Aogositra 2018

Tsy mitovy ny fahaizan’ny tsirairay mikirakira ny teknolojia avo lenta eto amintsika. Ho an’ny eto an-drenivohitra ohatra dia efa zary kilalao izany, indrindra fa ho an’ny ankizy sy ny tanora raha betsaka kosa ireo tsy nahita maso ny fitaovana toy ny solosaina ho an’ireo mponina any ambanivohitra.

 

 Izany indrindra no antom-pisian’ilay Tic Bus sy  ilay tetikasa Supercodeur, iarahana amin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, tohanan’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar. Hitety tanana maro any ambanivohitra  ity Tic bus ity ka ireo ankizy sy tanora any ambanivohitra sivy ka hatramin’ny 14 taona no hahazo tombontsoa. Tanjona ny hahafahana mampianatra ireo ankizy madinika ireo ny informatika avo lenta mba ho tara amin’ny fivoarana entin’ny fampandrosoana ankehitriny. Tontosa omaly teny Ankorondrano ny sonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mifandraika amin’izany, notarihin’ny minisitra Maharante Jean de Dieu. Tafiditra ao anatin’izao vakansy lehibe izao, fotoana mampahalalaka ireo ankizy sy tanora eto amintsika  moa ity tetikasa iray ity. Tsiahivina fa vao 30 %-n’ny fikirakirana finday sy “internet” eto Madagasikara raha efa mahatratra 50% izany aty Afrika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT