kolontsaina

Fikarohana ara-java-maniry atao fanafody Mankalaza ny faha-45 taonany ny CNARP


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Tanjony ny hanamafy hatrany ny toerany amin’ny maha hany laboratoara manana ny fenitra feno amin’ny lalan-jotra ara-pamokarana ireo fanafody ao aminy,

izay nahazoany fankatoavan’ny OMS tamin’ny febroary 2021, ary hamafisina amin’izao fotoana izao ny fiaraha-miombon’antoka eo aminy sy ny OMS niainga tany amin’ny 1985. Hetsika maro no karakarain’ny CNARP mba hanamarihana izao tsingerin-taonany izao. Mikendry fisokafana hatrany amin’ny rehetra hanatsarana ny ambahidahin’ny fikarohana sy famokarana ataony. Iray amin’ireo ivonteram-pikarohana nasionaly eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa moa ny CNARP. Ho an’ity taona ity, maherin’ny 21 ny voka-pikarohana navoakany. Manampy ireo mpikaroka sy mpianatra mameno ny manatomombana ny dingana arahiny amin’ny fizaran’asa momba ny fikarohana ihany koa,... Izany indrindra no nikarakarany atrik’asa na « symposium» etsy amin’ny foibeny etsy Ivandry nanomboka omaly 30 novambra haharitra 3 andro, nampitondraina ny lohateny hoe: «La complémentarité de la medicine traditionelle et de la medicine conventionnelle ». Ankoatra ireo fandaharam-potoana izay miompana kokoa tamin’ireo siantifika, nanomana tranoheva mitodika kokoa ho an’ireo mpisehatra voakasiky ny lohahevitra ihany koa ny CNARP. Misy ny atrik’asa sy fihaonana an-databatra boribory handinihana lohahevitra maromaro mandritra ny telo andro: « Médecine Traditionnelle et Pharmacopée » ho an’ny omaly; « Santé, Médecin, One health », « Recherche scientifique à visée thérapeutique » anio, ary “Santé, bien-être et produits nuraceutique,… », « Produits naturels, phytothérapies et aromathérapies » rahampitso, arahin’ny lalonam-pamaranana hisiana fanomezana loka. Naneho fiarahabana manokana ny CNARP Tale Jeneralin’ny Fikarohana siantifika Pr Heriniaina Ramanankierana, izay nisolo tena ny minisitra omaly, ary nidera noho ny « Symposium » nosokajiany ho fotoan-dehibe maneho ny fametrahana amin’ny toerany ny lanjan’ny fikarohana eto anivon’ny firenena ny hetsika lehibe tahaka izao. Nankasitraka manokana ireo mpandray anjara, mpiara-miombon’antoka, ary mpiara-miasa noho ny fifanomezan-tànana kosa Talen’ny CNARP Pr Rianasoambolanoro Rakotosaona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT