kolontsaina

Fikaonandohan’ny Akademia Malagasy Hamantatra ny tena marina momba ny raharaha 1947


  • Zoma 31 Martsa 2017

Nanokatra ny fikaonan-doha mifantoka amin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahana 1947 notanterahina teny amin’ny Akademia Malagasy teny Tsimbazaza ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly.

Nandritra io fotoana io no nilazany fa ny fampitana ny faneva sy ny afom-pitiavan-tanindrazana nananan’ireo nitolona fahiny amin’ny tanora dia antoka lehibe mitarika any amin’ny firaisam-pirenena, ary làlana mizotra mankany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tanjona goavana tamin’ny fanatanterahana ity fikaonan-doha ity ny mba hahafantarana ny tantara tena marina manodidina ny raharaha 1947, ka ho an’ny Pr Marcel Razanaparany, Filohan’ny Akademia Malagasy, dia ilay ny mamamtatra ny olana izay lasa sakana amin’ny fiombonam-pirenena, izay làlana hahatongavana amin’ny tanjona dia ny hoe Madagasira tsy voageja sy mahaleo tena. Ho an’ny Pr Raymond Ranjeva kosa, dia isan’ny zava-dehibe ny famotopotorana ny sata aman-dalàna ary ny lalàm-panorenana, ny anjara toeran’ireo avara-pianarana, ny resaka loharanon-karena miainga amin’ireo harentsika tsy hita noanoa, ny setriny avy amin’ny Malagasy manoloana ny sehatra Iraisam-pirenena. Nivoatra nandritra ity fikaonanan-doha ity ny tokony handrehetana hatrany ny afon’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fampitana ny fanilo ho an’ireo tanora sy taranaka aty aoriana. Notsiahivin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina rahateo fa lohahevitra nitondrana ny fanamarihana ny faha-70 ny tolom-panafahana 1947  ny hoe « Fanilo miampiata, ny lasa tsy fanadino ».


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana KaratĂ©
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT