kolontsaina

Fikambanan’ny zanaka Antemoro Amin’ny 27 aogositra ny fifidianana filoha


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Taorian’ny taona 2015 tokony hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny birao mpanatanteraky ny fikambanana FI.ANTA na ny

fikambanan’ny Zanaka Antemoro miasa sy monina eto Antananarivo dia ny alahady 27 Aogositra ho avy izao ny fotoana voatondro hanatanterahana ny fifidianana. Miisa telo ireo kandida hifaninana  izay samy nifanaiky omaly fa hanao  fifidianana ao anatin’ny firahalahiana sy filaminana tanteraka. Eny amin’ny Institut Sainte Famille Mahamasina no hanatontosana ny hetsika, manomboka amin’ny 11 ora antoandro.  Hiezaka ny hikatsaka hatrany ny hisian’ny filaminana ao anatin’ny fikambanana izy  telo mirahalahy ireto satria  mitovy  avokoa ny tanjona dia ny fampiroboroboana hatrany ny firaisankina sy ny fifankatiavana ao amin’ireo mpikambana ary ho fampandrosoana ny faritra Vatovavy Fitovinany izay niavian’izy ireo. Ireo mpilatsaka hofidiana dia olona samy manana ny toerany eto amin’ny firenena sady nanana anjara andraikitra goavana tao amin’ny fikambanana avokoa dia Randrianasoavina Christian, Randrianasolo Brice manampahaizana momba ny toekarena ary Tsaramonina Ravony, commissaire central eto Antananarivo Renivohitra. Ho  an’itsy kandida voalohany dia nambarany fa anisan’ny hojereny akaiky, raha izy no lany ho filoha, ny fampandrosoana ny lafiny ara-kolontsaina, ny toekarena ary ny sosialy. Amin’ny alahady ho avy izao ihany dia efa fantatra ny vokatra raha tsy misy ny sampona.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT