kolontsaina

Fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana Tsy nisy nihaino hatreto ny antso avo nataony


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Niainga tany Sina ny Coronavirus, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana Malagasy, Josephin Andriandrainarivo. Nisy avy eo ny hoe “variant”

na karazany avy atsy Inde, hoy izy. Misy koa io tonga atsy Afrika atsimo. Ny “variant delta” indray izao no malaza, izany hoe, miparitaka sy miova endrika araka ny toerana misy azy ilay aretina. Mety hisy ve atsy ho atsy ny “variant” avy eto Madagasikara? Asa na halefadefaka kokoa izy amin’izany satria isaorana an’Andriamanitra Andriananahary fa raha oharina amin’ny firenen-kafa izany dia mbola mijanona ho vitsy ny olona voany sy matiny. Ohatran’ny te hivavaka aza aho hoe enga anie “variant” avy eto no hitranga raha toa ka vitsy tahaka izao no voany mandra-paha fongotra azy tanteraka. Lafiny iray izany dia tsy atao maha taitra ny fisian’ireo “variant” ireo fa mbola ilay aretina ihany tsinona io. Mitovy ny fiarovana aminy. Ny tiako apetraka dia hoe raha natao tsy an-tery ny fanaovana vakisiny dia tokony hisy zavatra mivaingana amin’ny fanambarana ofisialy kosa ataon’ny fanjakana hitsinjovana ireo nifidy ny tsy hanao vakisiny. Ohatry ny hoe baranahana raha tsy izay. Nanao antso avo izahay mikasika ny tokony hananganana komitim-pirenena misahana manokana ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy tompom-pahefana izahay matoa manao antso avo. Rehefa tsy hisy mpihaino moa dia eo amintsika Malagasy ihany ny fampiasana ny zava-maniry sy voajanahary rehetra. Mety manana ny antony izay azy fa tsy anay ny fitondram-panjakana. Ny vokany dia tsy hisy arofanina ny fampiasana ity raokandro ity eto Madagasikara satria ho vitsy ny aharaka io dingan’ny OMS izay feno pitsopitsony io. Na ny ED1 natao tao aza mbola tsy hita nefa ny olona efa mihinana sy mampiasa azy. Anatin’ireny tsy haintsika hoe tena mahazaka daholo ve izay mampiasa azy, hoy hatrany ny ANTM ?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT