kolontsaina

Fikambanan’ny mpikabary malagasy Mbola hanandratra ny kolontsaina Malagasy


  • Alarobia 12 Jona 2019

Hamarana ny faha-55 taonany ny 28 jona izao ny fikambanan’ny mpikabary Malagasy na FIMPIMA.

Nampatsiahivina fohy tetsy amin’ny foibeny eto Antananarivo etsy Antsahavola omaly ny lalana nodiavin’ity fikambanana ity tao anatin’izay taona maro izay. 14 mirahalahy, hoy ny filohan’ny Fimpima maneran-tany, Hanitra Andriamboavonjy, no nanorina ny fikambanana fa ankehitriny kosa dia efa an’arivony ireo mpikambana. Nampivoatra sy nampiaina, nanandratra ary mbola hanandratra ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny Kabary no tanjona fototra. Efa niova in-3 koa ny anarana dia ny hoe firaisan’ny mpikabary eto Madagasikara. Avy eo fikambanan’ny mpikabary eto Madagasikara saingy nony hita fa saika maneran-tany mihitsy no liana amin’ny kolontsaintsika dia lasa fikambanan’ny mpikabary Malagasy ny Fimpima, hoy ny fanazavana. Etsy amin’ny Akademia Malagasy etsy Tsimbazaza moa no hanombohana ny fankalazana io famaranana io ary hofaranana amin’ny alin’ny kabary Malagasy etsy amin’ny Carlton Anosy izany ny alina.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT