FIKAMBANAN’NY MPANAO TEATRA

Mangataka ny hamerenana ny tranom-pokonolona aminy


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Mangataka ny hamerenana ny tranom-pokonolona eto an-drenivohitra rehetra aminy ny Fikambanan’ireo

mpanao teatra eto Antananarivo. Hanaovana teatra no namoronan’ny vazaha an’ireny hatrany am-piandohana raha araka ny fanazavan’izy ireo. Ankehitriny anefa hoy hatrany izy dia lasa trano fivavahana avokoa ny tranom-pokonolona ka tsy mahita toerana hahafahany maneho sy mampiseho ny talentany intsony ireo mpanao teatra. Eny amoron-dalana sy eny am-piangonana sisa no toerana voatokana ho anay ka tokony hojeren’ny Ben’ny tanana vaovao izany. Notsiahivin’ny fikambanana moa fa mbola misy ny mpilalao teatra. Naverin’ny fikambanana nosokafana ny faran’ny herinandro teo ny fanofanana azy ireny ho an’ny teto an-drenivohitra. Ny tranom-pokonolona Analakely, Isotry ary Besarety moa no tena takian’izy ireo ny hamerenana azy aminy.
Pati
Legende : Anisan’ny takian’izy ireo mafy ny tranom-pokonolona Isotry sy Analakely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT