Rehefa nifanarahan’ny rehetra tonga nivory tao amin’ny tranombokim-pirenena tamin’ny taona 2016 nahitana ireo Ampanjaka isan-tsokajiny,
Andriana ary Tangalamena manerana ny nosy fa hiaraha-mankalaza ny faha-20 septambra 2017 ny taom-baovao Malagasy iraisan’ny rehetra ary tsy hisy antokon’olona mahazo mampiasan’izany taom-baovao Malagasy izany intsony nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanapakevitra ny fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka fa hanatanteraka ny fanamarihana ny taom-baovao eto Imerina hiantsoany ny taom-baovao efa fankalazany hatramin’ny 443 taona lasa ka nolovaina tamin’ny mpanjaka Ralambo sy ny mpanandro malaza Habib. Mifanaraka hatrany amin’ny fiafaran’ny Ramadany Silamo io Taom-baovao hankalazain’ny Zanadranavalona io. Marihana fa miroso 11 andro isan-taona ny fankalazana ho an’ny Malagasy. Mandritra ny 3 andro dia ny Vava Alahamady, ny Vonto Alahamady ary ny Vody Alahamady no hakalazana ity taom-baovao eto Imerina ity izay hotanterahina eny Anosimanjaka. Hisy ary ny fankalazana nahazatra hatramin’izay amin’ny andron’ny Vava alahamady ny 24 jona izao izay hanatanterahana ny famonoana ny omby volavita, ny fitsofan-drano, ny fanaovana kabary ary ny fihinanana ny nofonkena mitam-pihavanana sy ny fizarana ny hena na jakam-pandroana ary tsy hadinoina amin’izay ny mivavaka amin’Andriamanitra Andriananahary. Ny alohan’io, ny 23 jona dia hisy ny fidiovana amin’ny endriny rehetra amn’ny fanaovana ny harendrina. Ny 25 jona kosa dia hisy ny hiragasy malaza hifanandrinan’ny tarika Tsy Maka Lagy avy any Arivonimamo sy ny tarika Ravalomanantsoa avy any Antanifotsy. Nomarihin’Atoa Ravelonarivo Eddie filohan’ny fikambanana Zanadranavalona teny Ampefiloha omaly fa tsy anisan’ireo fikambanana hanangana mpanjaka iraisana kasain’ny sasany hatao izany ry zareo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.