kolontsaina

Fikambanana Zanadranavalona Hanatanteraka indray ny Taom-baovao eto Imerina


  • Zoma 25 Mey 2018

Toy ny efa nataony tamin’ny taon-dasa dia hanatanteraka indray ny Taom-bavao eto Imerina ny fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka tarihan’ny filohany, Ravelonarivo Alain Eddie.

 

 Mifanandrify tsara amin’ny Idibe ataon’ny mpino Silamo amin’ny famaranana ny Ramadany ny alakamisy 15 jona izao ny fanamarihana ny Taom-baovao eto Imerina amin’ity taona 2018. Noho ny Malagasy tsy manao zavatra andro talata sy alakamisy anefa dia ny zoma 16 jona vonto Alahamady ho avy izao manomboka amin’ny 10 ora maraina no hanamarihana azy amin’ity taona 2018 ity. Hisy ny lanonana lehibe hotontosaina eto amin’ny vohitr’Anosimanjaka toy ny famonoana omby, fitsofan-drano, fisakafoana sy fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana ary fanaovana totorebika ialohavan’ny fidiovana na fandroana ara-bakiteny ny maraina be amin’ny 8 ora any ho any. Rehefa maty masoandro dia azo hanatanterahana hetsika ihany ny andro alakamisy ka hatao amin’io andro io ihany ny fitondrana harendrina manerana ny tanàna miaraka amin’ny mpitsoka mozika. Ny andro sabotsy 17 jona famaranana kosa dia hisy ny hiragasy malaza hifanandrinan’ny tarika Emilson Tsy Maka Lagy  Arivonimamo sy ny tarika Sahavato Ambohimandroso. Vahiny mpandala ny fomban-drazana maro avy any amin’ny faritra manerana ny nosy no ho tonga hanatrika an’ity Taom-baovao eto Imerina ity toy ny efa nanatrehany ny valandresaka nataon’ny Zanadravalona tetsy Ampefiloha omaly alakamisy 24 mey. Izy rehetra ireo sy ny Zanadranavalona dia marihana fa efa nifanaraka an-taratasy tamin’ny 2017 fa hankalazaina miaraka isaky ny tsinam-bolan’ny lohataona ny Taombavao Malagasy ka amin’ity taona 2018 ity dia ny 9 septambra any Fianarantsoa no hanatanterahana azy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT